Antso an-tserasera mivantana sy azo antoka
Alohan'ny hanombohanao, azafady mba ataovy azo antoka:
- fa mampiasa mpitety tranonkala (toy ny Google Chrome na Firefox) ianao izay manohana ny WebRTC (Web Real-Time Communication), fomba fifandraisana miorina ao amin'ny mpitety tranonkala hanaovana antso. Tsy miasa miaraka amin'ny Adobe Flash izany.
- fa manome alalana ny mpitety tranonkala hampiasa ny mikrô ianao. Hisy fangatahana hanamafisana izany alohan'ny hanombohan'ny antso.
- tsy misy olona manara-maso anao
- tsy miditra amin'ny sehatra ataonay amin'ny solosaina ampiasainao amin'ny asa na amin'ny tambajotra anatiny an'ny orinasa ianao
- aza manome na oviana na oviana antsipiriany mety hahafantarana ny mombamomba anao.
Ny antso rehetra dia tsy mitonona anarana amin'ny toe-javatra mahazatra.
Raha tsy miseho etsy ambany ny bokotra, azafady havaozy (reload) ny pejy na alefaso (enable) ny script.